• Accueil
  • > Archives pour novembre 2010

Archives pour novembre 2010

Elie Rajaonarison nous a quitté. Tout Malgache devrait se sentir concerné par le décès de ce poète-écrivain qui alliait un talent immense à une rigueur extrême.

<< Hommage à Elie Rajaonarison >>

 

HITENY AHO, HITENY

hiteny aho, hiteny
fa eny rehetra eny
toloko-mena fify miafitr’eny imason’
ny zaza tsisy reny
fa eny rehetra eny
mangidy tora-jofo misosok’eny an-koditry
ny zana-drenireny
mangidy mialin’andro
tsihifiny isan’andro
fa tsy mba mety ritra

hiteny aho, hiteny

tsy miaina izany ianao
mangidy maizin’andro
mihantona eo am-bozon’
ny olona voaozona
tsy miaina izany ianao
mangovitra isan’andro
mifezaka isan’ora
sao voan’ny taingimbozona
atelin’ireo trozona

tsy hiaina izany ianao
tsy hiaina izany mihitsy
mangina mahamanina ny ao an-tranonao
madio no sady manitra
kanto sy milamina
voatemotra hira faly mandrotsy nofy mihanoka
ny lalam-piainanao

de tsy henonao akory ny hiaka am-perin’adin’
ny zaza menavava
nateraka hijaly
de tsy henonao mihitsy ny sentom-pitrapitran’
ny zana-dravahoaka
resy tsy afa-niady

tsy henonao fa reko
hodianao mody fanina
k’izany no hitenenako

sao aho … mba henonao

(Elie Rajaonarison, 1989)

<< Hommage à Elie Rajaonarison  >>

INTERLUDE

hebergeur image

Happy Thanksgiving

hebergeur image

hebergeur image

THANKSGIVING

 

hebergeur image

Dans ma case en falafa::Henri Ratsimbazafy

Image de prévisualisation YouTube

Plaisir des yeux :)

hebergeur image

Hibiscus et ciel de Madagascar :)


hebergeur image

Zany ndray ny vaovao be avy any an-tanindrazana!!! FLASHMOB teo Mahamasina….Milay be!!! (misaotra Vahinala) ^_^

Image de prévisualisation YouTube

Akademi-Agnambala

http://www.dailymotion.com/video/x6sry8



Auteur: Tritriva

tritriva1

BIENVENUE DANS MON BLOG BONNE VISITE

pervenche2.jpg

pervenche2.jpg

im18579.gif

im18579.gif

poinsettia

poinsettia

fleuranime083.gif

fleuranime083.gif

Visiteurs

Il y a 3 visiteurs en ligne

L’AMOUR

Même si l'amour Ne serait pas pour toujours... Espérer et de croire... Pas au simulacre, Mais au miracle. Car l'amour est sacré, L'amour peut sauver Une âme qui déambule, Un esprit qui recule, Et la vie sera meilleure... Et l'amour deviendra... le bonheur. DadaRabe St Pierre et Miquelon 17/08/07

naturearbres002.gif

naturearbres002.gif

colombe.jpg

colombe.jpg

Vous devez être connecté à votre compte pour me contacter

minifrance.gif

minifrance.gif

plongee.gif

plongee.gif

bwmadab1.jpg

bwmadab1.jpg

IANAO NO MAHALALA (Poème de DadaRabe, Marseille 22/08/01)

Ry hany tanindrazako! Tsy foiko sy malala! Raha nandao anao aho, an-taona maro izay, Tsy hoe ninia nikimpy na koa tsy nahalala, Ny ratra sy ny fery na ny ady mahamay, S'ireny fijaliana, Ireny fahoriana, Ireny fihafiana, Izay nitomaniana. Ry tany tiako indrindra, narary anie ny foko, Raha sendra ny tsy fidy, ka ho any an-tsesitany; K'ireny ranomaso, nilalotra toloko, Niniako nampanginina na hila tsy ho lany, Fa mafy ny mitady, Manangana ny ho avy, Fa ts'isy vavahady, Misokatra sahady. Dia nifandimby teny ny andro sy ny volana, Toa efa hody ventiny ny rano nantsakaina, Kinanjo tsy nampoizina fa misy foana ny olana, Mitady hanembatsembana ilay maraina andraina; Te hody aho na androany, Raha azo atao izany, Fa saingy nofy ihany, Ny foko toa tomany! Misy ny milaza fa efa nanadino anao ny foko tia, Nolazainy koa fa efa natakaloko ny hafa hono ianao! K'aleoko miampify, mandositra anao aty lavitr'aty, Minia tsy mahatsiaro ary manadino, nahita vaovao! Ry Madagasikara! Ianao no mahalala, Ny foko anie tsy hiala, Fa tia toy ireny adala.

HAFATRA HO ANTSIKA MIANAKAVY ( DadaRabe 02/12/2000 )

Ho antsika mianakavy, Tiako ho marihina sy ambara fa : 1-TSY MISY INTSONY ANDEVO, tsy misy andevo fa SAMY OLON'AFAKA daholo isika mianakavy. 2- TSY MISY AMBONY SY AMBANY ISIKA, samy olona mikatsaka ny mahasoa eto ambonin'ny tany. 3- TSY MPIFAHAVALO ISIKA. Aoka re tompoko tsy hifanipaka toy ny valala an-karona isika mianakavy, fianakaviana iray ihany anie isika é! Samy olombelona feno isika mianakavy, samy manan-drà mikoriana, samy tera-dray aman-dreny. O! rey vahoaka, aza entim-po fa ny fo anie rano mafana é! Tsy manan-kambara aho ankehitriny fa anjaran'ny tsirairay no mandinika. TRAFO-KENA OME-MAHERY KA AM-BAVA HOMANA AM-PO MIERITRA. DADARABE " Izao tontolo izao ho an'ny Malagasy "
novembre 2010
L Ma Me J V S D
« oct   déc »
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930  
Image hébergée par Casimages.com : votre hébergeur d images simple et gratuit

Mon cours de français |
essai09 |
Un amour de "Pékinoise" |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | ghadalam
| journal-de-lulubie
| Mes passions de ptit dragon