Même si l'amour Ne serait pas pour toujours... Espérer et de croire... Pas au simulacre, Mais au miracle.
Car l'amour est sacré, L'amour peut sauver Une âme qui déambule, Un esprit qui recule, Et la vie sera meilleure... Et l'amour deviendra... le bonheur.
DadaRabe St Pierre et Miquelon 17/08/07
Ry hany tanindrazako! Tsy foiko sy malala! Raha nandao anao aho, an-taona maro izay, Tsy hoe ninia nikimpy na koa tsy nahalala, Ny ratra sy ny fery na ny ady mahamay, S'ireny fijaliana, Ireny fahoriana, Ireny fihafiana, Izay nitomaniana. Ry tany tiako indrindra, narary anie ny foko, Raha sendra ny tsy fidy, ka ho any an-tsesitany; K'ireny ranomaso, nilalotra toloko, Niniako nampanginina na hila tsy ho lany, Fa mafy ny mitady, Manangana ny ho avy, Fa ts'isy vavahady, Misokatra sahady. Dia nifandimby teny ny andro sy ny volana, Toa efa hody ventiny ny rano nantsakaina, Kinanjo tsy nampoizina fa misy foana ny olana, Mitady hanembatsembana ilay maraina andraina; Te hody aho na androany, Raha azo atao izany, Fa saingy nofy ihany, Ny foko toa tomany! Misy ny milaza fa efa nanadino anao ny foko tia, Nolazainy koa fa efa natakaloko ny hafa hono ianao! K'aleoko miampify, mandositra anao aty lavitr'aty, Minia tsy mahatsiaro ary manadino, nahita vaovao! Ry Madagasikara! Ianao no mahalala, Ny foko anie tsy hiala, Fa tia toy ireny adala.
Ho antsika mianakavy, Tiako ho marihina sy ambara fa : 1-TSY MISY INTSONY ANDEVO, tsy misy andevo fa SAMY OLON'AFAKA daholo isika mianakavy. 2- TSY MISY AMBONY SY AMBANY ISIKA, samy olona mikatsaka ny mahasoa eto ambonin'ny tany. 3- TSY MPIFAHAVALO ISIKA. Aoka re tompoko tsy hifanipaka toy ny valala an-karona isika mianakavy, fianakaviana iray ihany anie isika é! Samy olombelona feno isika mianakavy, samy manan-drà mikoriana, samy tera-dray aman-dreny. O! rey vahoaka, aza entim-po fa ny fo anie rano mafana é! Tsy manan-kambara aho ankehitriny fa anjaran'ny tsirairay no mandinika. TRAFO-KENA OME-MAHERY KA AM-BAVA HOMANA AM-PO MIERITRA. DADARABE
" Izao tontolo izao ho an'ny Malagasy "
0 commentaires à “”